2 Kings 9:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny fa tsy niverina; ary ny firiotrany dia ohatra ny firiotran’i Jeho, zanak’i Nimsy; fa miriotra ohatra ny olona adala izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nampandre izany ny mpitily nanao hoe: «Lasa tafapaka teny aminy ny iraka nefa tsy niverina. Sahala amin’ny fitarik’i Jehò zanak’i Namsì ny fitariny, fa nitarika toy ny olona adala izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay kosa ilay mpitily no nilaza indray hoe: –Tonga teo amin-dry zareo koa ny iraka faharoa, nefa tsy niverina. Saingy fantatro izao i Jehò zafikelin’i Nimsỳ, araka ny fampiriotran-kalesiny: mampiriotra kalesy hoatra ny olona adala manko izy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny fa tsy niverina; ary ny firiotrany dia ohatra ny firiotran’i Jeho, zanak’i Nimsy; fa miriotra ohatra ny olona adala izy.
malagasy
Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.