2 Kings 9:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Jehorama: Ampiomany ny kalesy fitondra miady! Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia niainga i Jehorama, mpanjakan’ny Israely, sy i Ahazia, mpanjakan’ny Joda, samy nitsangana teo amin’ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an’i Jeho, ary nifanena taminy teo amin’ny tanin’i Nabota jezirelita izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jôrama: «Ataovy amin’ny kalesy ny soavaly.» Dia natao tamin’ny kalesy ny soavaly. Nivoaka samy tamin’ny kalesiny avy, i Jôrama mpanjakan’i Israely, sy i Okoziasa, mpanjakan’i Jodà, nivoaka nitsena an’i Jehò, ka nifanena taminy tao amin’ny sahan’i Nabôta, any Jezrahela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasain’i Jôrama novononina ny kalesin-tsoavaliny; dia natao izany. Dia samy niainga nitaingina ny kalesiny avy i Jôrama mpanjakan’i Israely sy i Ahazià mpanjakan’i Joda, ka lasa nitsena an’i Jehò, ary tojo azy teo amin’ny sahan’i Nabôta avy any Jizrehela.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Jehorama: Ampiomany ny kalesy fitondra miady! Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia niainga i Jehorama, mpanjakan’ny Israely, sy i Ahazia, mpanjakan’ny Joda, samy nitsangana teo amin’ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an’i Jeho, ary nifanena taminy teo amin’ny tanin’i Nabota jezirelita izy.
malagasy