2 Kings 9:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nohenjanin’i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tanany dia nitifitra an’i Jehorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan’ny sorony, ary ny zana-tsipìka dia niboroaka tamin’ny fony ka nianjera tao anatin’ny kalesiny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa noraisin’i Jehò teo an-tanany kosa ny tsipìkany, nasiany i Jôrama teo anelanelan’ny sorony; tafagorobaka tamin’ny fony ny zana-tsipìka, ka nitambotsotra tao anaty kalesiny tao i Jôrama.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noraisin’i Jehò ny tsipîkany, dia nitifitra izy ka nahavoa an’i Jôrama teo anelanelan’ny sorony; ary tafavoaka ny zana-tsipîka rehefa niboroaka tamin’ny fony. Dia maty nikorosy tao anaty kalesiny i Jôrama.
Malagasy Bible 1865
Ary nohenjanin'i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan'ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin'ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin'ny kalesiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nohenjanin’i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tanany dia nitifitra an’i Jehorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan’ny sorony, ary ny zana-tsipìka dia niboroaka tamin’ny fony ka nianjera tao anatin’ny kalesiny izy.
malagasy