2 Kings 9:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Jeho tamin’i Bidikara lefiny: Batao izy ka atsipazo ao amin’ny sahan’i Nabota jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an’i Ahaba rainy dia nolazain’NY TOMPO fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jehò tamin’i Badakera lefiny: «Raiso io, atsipazo ao anatin’ny sahan’i Nabôta ao Jezrahela, satria tsarovy ilay izaho sy ianao niara-nitaingin-tsoavaly nanaraka an’i Akaba iny, ka nitenenan’i Iaveh izao teny nihatra taminy izao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Jehò tamin’i Bidkara dekàny: –Raiso ny fatiny ka atsipazo ao amin’ny sahan’i Nabôta avy any Jizrehela. Tsarovy fa, fony isika roa lahy niara-nitondra kalesy nanaraka an’i Ahaba rain’i Jôrama, dia izao no nambaran’ny TOMPO tamin’i Ahaba:
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jeho tamin'i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Jeho tamin’i Bidikara lefiny: Batao izy ka atsipazo ao amin’ny sahan’i Nabota jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an’i Ahaba rainy dia nolazain’NY TOMPO fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
malagasy