2 Kings 9:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa hitako tokoa omaly ny ran’i Nabota sy ny ran’ny zanany, hoy NY TOMPO, ary Izaho no hamaly anao eto amin’ity saha ity, hoy NY TOMPO! Koa batao izy ary atsipazo amin’io saha io araka ny tenin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Marina fa toy ny nahitako omaly ny ran’i Nabôta sy ny ran-janany, - teny marin’i Iaveh izao, dia hataoko todîn’izany ianao ato amin’ity saha ity ihany, - teny marin’i Iaveh izao; koa raiso io, atsipazo amin’ny saha araka ny tenin’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hitako tokoa ny namonoanao ho faty an’i Nabôta sy ireo zanany omaly; koa Izaho TOMPO no manao teny hentitra fa hamaly anao eto amin’ity saha ity.» Noho izany, ry Bidkara, dia raiso ny fatiny ka atsipazo ao amin’io saha io araka ny tenin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Efa hitako tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io araka ny tenin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Efa hitako tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io araka ny tenin'i Jehovah.