2 Kings 9:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’i Ahazia mpanjakan’ny Joda izany dia nandositra tamin’ny lalana mankany Bety-Gana izy. Nanenjika azy i Jeho ka niteny hoe: Indrỳ, asio koa iny. Dia nisy naharatra azy tao anatin’ny kalesiny teo amin’ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan’Ibleama. Ary nandositra nankany Megido i Ahazia ka maty tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nahita izany i Okoziasa mpanjakan’i Jodà, dia nandositra tamin’ny lalan’ny tranon’ny zaridaina. Fa nenjehin’i Jehò izy sady nataony hoe: «Asio ao anaty kalesiny ao ihany koa iny.» Dia nasian’ny olona izy, teo amin’ny fiakaran’i Gavera, akaikin’ny Jeblaama. Nandositra nankany Magedao izy, dia maty tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nahita izany i Ahazià mpanjakan’i Joda, dia nandositra tamin’ny lalan’i Bety-Gany; kanefa nanenjika azy i Jehò sady nibaiko namana hoe: «Asio ihany koa iny». Dia nasian’ireo izy iny nitondra ny kalesiny teo am-piakaran’i Gora akaikin’i Jiblehama iny. Ary afa-nandositra nankany Megidao i Ahazià ka maty tao.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izany, dia nandositra tamin'ny lalana mankamin'ny trano ao anatin'ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan'i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’i Ahazia mpanjakan’ny Joda izany dia nandositra tamin’ny lalana mankany Bety-Gana izy. Nanenjika azy i Jeho ka niteny hoe: Indrỳ, asio koa iny. Dia nisy naharatra azy tao anatin’ny kalesiny teo amin’ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan’Ibleama. Ary nandositra nankany Megido i Ahazia ka maty tao.
malagasy