2 Kings 9:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga tany Jezirela i Jeho. Nony nandre izany i Jezebela dia nohosorany loko mainty ny masony sady nohaingoiny ny volon-dohany dia nitsidika teo am-baravarankely izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niditra tao Jezrahela i Jehò. Raha nandre izany i Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tonga tany Jizrehela i Jehò. Ary raha nandre izany i Jezebela dia nanao manjamaso sady nandravaka ny lohany ka nankeo am-baravarankely.
Malagasy Bible 1865
Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga tany Jezirela i Jeho. Nony nandre izany i Jezebela dia nohosorany loko mainty ny masony sady nohaingoiny ny volon-dohany dia nitsidika teo am-baravarankely izy.
malagasy
Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.[Heb. antimony]