2 Kings 9:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niditra tao an-trano i Jeho ka nihinana sy nisotro ary nilaza hoe: Mandehana, jereo ilay vehivavy voaozona iny ka aleveno, fa zanaka mpanjaka izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany dia niditra izy ary nihinana sy nisotro ka nanao hoe: «Mandehana tsiriho ilay vehivavy voaozona dia aleveno, fa zanaky ny mpanjaka izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niditra tao an-dapa i Jehò ka nihinana sy nisotro; avy eo izy nilaza tamin’ny namany hoe: –Ndeha karakarao ny fandevenana an’io vehivavy voaozona io, fa mba zanaka mpanjaka ihany izy.
Malagasy Bible 1865
Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niditra tao an-trano i Jeho ka nihinana sy nisotro ary nilaza hoe: Mandehana, jereo ilay vehivavy voaozona iny ka aleveno, fa zanaka mpanjaka izy.
malagasy
Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy.