2 Kings 9:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy i Jeho: Araka ny tenin’NY TOMPO izany, dia ilay nampilazainy an’i Elia tisbita mpanompony hoe: Ao amin’ny tany Jezirela no hihinanan’ny alika ny nofon’i Jezebela,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka niverina nilaza izany tamin’i Jehò izy, fa hoy izy: «Izany no tenin’i Iaveh notononiny tamin’ny alalan’i Elia Tesbita, nataony hoe: Hohanin’ny alika ao amin’ny sahan’i Jezrahela ny nofon’i Jezabela, ary hanahaka ny zezika eo ambonin’ny tany ao amin’ny sahan’i Jezrahela ny fatin’i Jezabela, ka tsy ho azo lazaina akory hoe: I Jezabela ity.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niverina ireo ka nanambara izany tamin’i Jehò, izay loa-bolana hoe: –Izao mihitsy no nampilazain’ny TOMPO an’i Elià avy any Tisbe sady mpanompony hoe: «Ao amin’ny sahan’i Jizrehela no hihinanan’ny alika ny nofon’i Jezebela.
Malagasy Bible 1865
Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an'i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin'ny tany Jezirela no hihinanan'ny alika ny nofon'i Jezebela,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy i Jeho: Araka ny tenin’NY TOMPO izany, dia ilay nampilazainy an’i Elia tisbita mpanompony hoe: Ao amin’ny tany Jezirela no hihinanan’ny alika ny nofon’i Jezebela,
malagasy
Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an'i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin'ny tany Jezirela no hihinanan'ny alika ny nofon'i Jezebela,Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.