2 Kings 9:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tany izy dia indreo, nipetraka teo ny komandin’ny miaramila. Hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho anao aho. Ary hoy i Jeho: Amin’iza aminay ireto moa? Hoy izy: Aminao, ry mpitarika ô.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga izy, indreo ny lehiben’ny tafika mipetraka eo, ka hoy izy: «Ry Komandy ô, misy teny kely holazaiko aminao.» Ary hoy i Jehò: «Amin’iza aminay ireto?» Dia namaly izy: «Aminao, Komandy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga tany izy, dia ireo filohan-tafik’i Israely niara-nivory no hitany ary nitenenany hoe: –Manan-javatra hambara aminao aho, ry filoha! Ka hoy i Jehò: –Iza aminay ireto moa izany? Dia hoy ny navalin’ilay tovolahy: –Aminao ihany, ry filoha ô!
Malagasy Bible 1865
Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tany izy dia indreo, nipetraka teo ny komandin’ny miaramila. Hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho anao aho. Ary hoy i Jeho: Amin’iza aminay ireto moa? Hoy izy: Aminao, ry mpitarika ô.
malagasy