2 Kings 9:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana i Jeho ka niditra tao an-trano, dia naidin’ilay zatovo tamin’ny lohany ny diloilo, ary hoy izy taminy: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Nanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely oloko Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nitsangana nankao an-trano i Jehò, ary ilay zatovo kosa sady nanidina ny diloilo tamin’ny lohany no nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Hosorako ho mpanjakan’i Israely vahoakan’i Iaveh ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitsangana i Jehò ka niditra tao amin’ny efitrano; ary nandraraka ny menaka teo an-dohany ny mpaminany sady nanao hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Manosotra anao ho mpanjakan’i Israely vahoakako Aho.
Malagasy Bible 1865
Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana i Jeho ka niditra tao an-trano, dia naidin’ilay zatovo tamin’ny lohany ny diloilo, ary hoy izy taminy: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Nanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely oloko Aho.
malagasy