2 Kings 9:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hamely ny tamingan’i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an’i Jezebela ny ran’ny mpaminany mpanompoko sy ny ran’ny mpanompon’NY TOMPO rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hamely ny tranon’i Akaba tomponao ianao, ary hampanodiaviko an’i Jezabela ny ran’ny mpaminany mpanompoko, sy ny ran’ny mpanompon’i Iaveh rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianao no handringana ny taranak’i Ahaba tomponao fahiny, mba hamaliako ny ran’ireo mpanompoko rehetra izay nalatsak’i Jezebela, na mpaminany izy na olon-kafa.
Malagasy Bible 1865
Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hamely ny tamingan’i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an’i Jezebela ny ran’ny mpaminany mpanompoko sy ny ran’ny mpanompon’NY TOMPO rehetra.
malagasy
Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.