2 Peter 1:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany indrindra, ry rahalahy, mazotoa kosa hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Fa raha manao izany zavatra izany ianareo dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa amin’izany, ry kristianina havana, mikeleza aina kokoa mba handraikitra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo amin’ny fanaovan-tsoa; fa raha manao izany ianareo, dia tsy hivaona na oviana na oviana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa amin’izany, ry havana, miezaha bebe kokoa hampitombina tsara ny fiantsoan’Andriamanitra anareo sy ny fifidianany anareo; satria raha manao izany ianareo, dia tsy ho solafaka amin’ny fahotana na oviana na oviana;
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany indrindra, ry rahalahy, mazotoa kosa hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Fa raha manao izany zavatra izany ianareo dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay.
malagasy
Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;