2 Peter 1:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hampahatsiaro anareo mandrakariva ny amin’izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza ka efa tafaorina tsara amin’ny fahamarinana izay efa eo aminareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, hazoto mampahatsiaro anareo an’izany zavatra izany mandrakariva aho, na dia efa mahalala sy miorina mafy amin’ny fahamarinana efa ao aminareo aza ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo an’izany zavatra izany aho, na dia efa mahalala aza ianareo sy efa miorina mafy amin’ny hafatra marim-pototra izay anananareo ankehitriny.
Malagasy Bible 1865
Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hampahatsiaro anareo mandrakariva ny amin’izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza ka efa tafaorina tsara amin’ny fahamarinana izay efa eo aminareo ianareo.
malagasy
[Fananarana mba hiorina tsara amin'ny fampianarana marina] Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo.