2 Peter 1:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary manana ny teny faminaniana natao mafy orina kokoa isika ka tsara ny ataonareo raha mitandrina izany ianareo, fa toy ny jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina izany, mandra-pahazava ny andro ka miposaka ao am-ponareo ny kintana fitarikandro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary mafy orina kokoa ho antsika amin’izany ny Soratra faminaniana, izay tsara raha dinihinareo, fa toy ny jiro manazava ao amin’ny toerana maizimaizina izany, mandra-pipoaky ny andro, sy iposahan’ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin’ireo mpaminanin ’Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin’ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.
Malagasy Bible 1865
Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary manana ny teny faminaniana natao mafy orina kokoa isika ka tsara ny ataonareo raha mitandrina izany ianareo, fa toy ny jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina izany, mandra-pahazava ny andro ka miposaka ao am-ponareo ny kintana fitarikandro.
malagasy