2 Peter 1:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvan’ny filàn-dratsin’izao tontolo izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany voninahitr’Andriamanitra sy fahatsarany izany no nanomezana antsika ireo zavatra sarobidy sy lehibe tokoa nampanantenainy antsika, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvana vokatry ny filàndratsy mihanaka eo amin’ izao tontolo izao.
Malagasy Bible 1865
ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.
malagasy