2 Peter 2:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ireo kosa dia tahaka ny biby tsy manan-tsaina, zavamananaina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono; miteny ratsy ny zavatra tsy fantany izy; ho lo amin’ny fahalovan’ny biby izy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izy ireo kosa dia sahy maniratsira ny zava-tsy fantany akory, mova tsy ny biby tsy manan-tsaina natao ho fisambotra sy famono fotsiny, ka dia ho very amin’ny fahalotoany izy ireo:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry zareo kosa dia manahaka ny biby tsy manan-tsaina, sady entim-pahazarana no teraka ho fisambotra sy ho famono; manevateva ny zavatra tsy fantany ireo, ka dia hovonoina tahaka ny amonoana ny biby tsy manan-tsaina:
Malagasy Bible 1865
Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ireo kosa dia tahaka ny biby tsy manan-tsaina, zavamananaina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono; miteny ratsy ny zavatra tsy fantany izy; ho lo amin’ny fahalovan’ny biby izy
malagasy