2 Peter 2:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireny dia loharano ritra, zavona entin’ny tafio-drivotra, ka tahirizina ho azy ny haizina mikitroka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fantsakana ri-drano izy ireo, ary rahona avoivoin’ny tadio, ka haizina mainty be no miandry azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo mpampianatra sandoka ireo dia loharano ritra, zavona avoivoin’ny tafio-drivotra, ka ny haizim-pito no voatahiry ho azy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ireo efa loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan'ny maizina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireny dia loharano ritra, zavona entin’ny tafio-drivotra, ka tahirizina ho azy ny haizina mikitroka.
malagasy
Ireo efa loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan'ny maizina.