2 Peter 2:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa mandoka fatratra ny zava-poana izy ireny ka ireo izay vao mba nandositra niala tamin’ireo diso lalana indray no taominy ho amin’ny filan’ny nofo sy ny fanaranam-po;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teny manodòka sy tsy misy heviny no itarihany an’izay vao nandao ny olon-dratsy hevitra, hanaraka ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fahalotoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teny manodoka sy tsy misy heviny no ataony; ka ny filàndratsin’ny maha olona mpanota, dia ny fitondrantena maloto, no entiny mamitaka ny olona izay vao nandao ny fiainana diso lalana.
Malagasy Bible 1865
Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa mandoka fatratra ny zava-poana izy ireny ka ireo izay vao mba nandositra niala tamin’ireo diso lalana indray no taominy ho amin’ny filan’ny nofo sy ny fanaranam-po;
malagasy
Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony; [ Na: Satria velona amin'ny filan'ny nofo ireo, dia ny fandokafany fatratra ny zava-poana no entiny mitaona ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony ho amin'ny fijejojejoana]