2 Peter 2:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy efa afaka tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, dia tonga ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny amin’izany olona izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha olona efa niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao, noho ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, no mety ho lavo sy voasingotr’izany indray, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha misy olona efa niala tamin’ny faharatsian’izao tontolo izao, noho ny fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika, kanefa voasingotry ny faharatsiana indray ka resy, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany.
Malagasy Bible 1865
Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha misy efa afaka tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy*, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, dia tonga ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny amin’izany olona izany.
malagasy
Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.