2 Peter 2:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny filana harena maloto sy ny teny mamitaka no hivarotany anareo. Ho an’ireny olona ireny dia efa hatry ny ela no niasa ny fitsarana azy ary tsy matoritory ny fahaverezany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tia harena loatra ry zareo ka hataony filàm-bola ianareo amin’ny fampiasana teny mamitaka; saingy hatry ny ela dia tsy mitsahatra ny fanamelohana azy ary efa hihatra aminy koa ny fahaverezana.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny filana harena maloto sy ny teny mamitaka no hivarotany anareo. Ho an’ireny olona ireny dia efa hatry ny ela no niasa ny fitsarana azy ary tsy matoritory ny fahaverezany.
malagasy
Ary amin'ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.