2 Peter 2:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
raha izany rehetra izany dia hain’ny Tompo ny hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fizahan-toetra sy ny hitahirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia satria hain’Izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin’ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin’ny andron’ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka izany, dia hain’ny Tompo ny manala ny mpiraiki-po aminy ho afaka amin’ny fitsapana manjo azy, sy ny mitahiry ny ratsy fanahy mba hosazîna amin’ny andro fitsarana,
Malagasy Bible 1865
dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,-
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
raha izany rehetra izany dia hain’ny Tompo ny hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fizahan-toetra sy ny hitahirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana,
malagasy
dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,-