2 Peter 3:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany koa no ataony ao amin’ny epistiliny rehetra, izay ilazany izany zavatra izany; amin’ireny dia misy zavatra saro-pantarina, izay avilin’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany koa no ataony amin’ny epistolany rehetra izay ilazany ny amin’izany zavatra izany; misy teny saro-pantarina anefa amin’ireny, izay aolan’ny sasany kely fahalalana sy ratsy orina, toy ny ataony amin’ny Soratra hafa koa, ka tonga fahaverezana ho azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany koa no ataony ao amin’ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin’ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin’ny teny hafa raketin’ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.
Malagasy Bible 1865
tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany koa no ataony ao amin’ny epistiliny rehetra, izay ilazany izany zavatra izany; amin’ireny dia misy zavatra saro-pantarina, izay avilin’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.
malagasy