2 Peter 3:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina taloha sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay noentin’ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba hahatsiarovanareo ny zavatra nambaran’ny mpaminany masina rahateo, mbamin’ny didin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika nampianarin’Apôstôlinareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy roroa dia samy entiko hampahatsiarovan-javatra anareo sy hanaitaitra ny eritreritra mahitsy anananareo; ka dia hotsarovana ny zavatra voalazan’ny mpaminany masina fahiny mbamin’ny didy nomen’ny Tompo sy Mpamonjy, didy izay nentin’ireo apôstôly nirahina ho atỳ aminareo.
Malagasy Bible 1865
mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina taloha sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay noentin’ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo.
malagasy
mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;