2 Peter 3:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa minia ho jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady tamin’alalan’ny rano no nampivondrona azy, tamin’ny tenin’Andriamanitra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Odian’izy ireo tsy fantatra fa hatramin’ny voalohany dia efa nisy tokoa ny lanitra, ary toy izany koa ny tany, izay niseho avy amin’ny rano sy natao tamin’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, inian’ireo mpaniratsira ireo hadinoina fa hatramin’ny ela Andriamanitra no niteny nampisy ny habakabaka sy ny tany; ka ny tany dia nipoitra avy amin’ny rano sady ny rano koa no nampirafitra azy ho mafy.
Malagasy Bible 1865
Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra,