2 Peter 3:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia voatahirin’izany teny izany ho amin’ny afo amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha ny amin’ny lanitra sy ny tany ankehitriny, dia mbola ny tenin’Andriamanitra ihany koa no mitana sy mitahiry azy hodorana amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao habakabaka sy tany ankehitriny izao kosa dia mbola ny tenin’Andriamanitra no mihazona azy, ka voatahiry hodorana amin’ny andro fitsarana izay natao hamerezana ny olona tsy niraiki-po tamin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia voatahirin’izany teny izany ho amin’ny afo amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
malagasy
fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.