2 Samuel 1:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy taorianan’ny nahavoa azy; dia nalaiko ny satroboninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ny sandriny ka nentiko etỳ amin’ny tompoko izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanatona azy aho, ka namono azy satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy rehefa resy. Koa nalaiko ny satrok’andriana teny an-dohany sy ny fehin-tanana teny amin’ny sandriny, dia indreto nentiko nankatỳ amin’ny tompoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nohatoniko izy ary novonoiko ho faty, satria fantatro fa tsy ho velona amin’ny ratra nahazo azy izy. Koa nalaiko ny satroboninahitra teny an-dohany sy ny haba teny an-tsandriny ka ireto nentiko atỳ aminao ireto, tompoko.
Malagasy Bible 1865
Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ka nentiko etỳ amin'ny tompoko izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy taorianan’ny nahavoa azy; dia nalaiko ny satroboninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ny sandriny ka nentiko etỳ amin’ny tompoko izany.
malagasy
Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ka nentiko etỳ amin'ny tompoko izany.[Heb. lavo]