2 Samuel 1:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisaona sy nitomany ary nifady hanina izy ireo mandra-paharivan’ny andro noho ny amin’i Saoly sy i Jonatana zanany sy ny olon’NY TOMPO ary ny taranak’Israely satria lavon-tsabatra ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ny fombam-pisaonana azy ireo izy, nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nisaona an’i Saola sy i Jônatasy zanany ary ny olon’i Iaveh sy ny tranon’i Israely, satria lavon-tsabatra izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandra-paharivan’ny andro izy ireo dia nitomany sy nifady hanina ary nisaona an’i Saoly sy i Jônatàna zanany mbamin’ny Israelita izay maty an’ady ka anisan’ny vahoakan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisaona sy nitomany ary nifady hanina izy ireo mandra-paharivan’ny andro noho ny amin’i Saoly sy i Jonatana zanany sy ny olon’NY TOMPO ary ny taranak’Israely satria lavon-tsabatra ireny.
malagasy
Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.