2 Samuel 1:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida taminy: Aoka ho eo amin’ny lohanao ny ranao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao hoe: Izaho no namono ny voahosotry NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida taminy: «Aoka ny ranao ho eo an-dohanao, satria vavanao ihany no niampanga anao, fony ianao nanao hoe: ‹Izaho no namono ny voahosotr’i Iaveh.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Davida taminy: –Nandrora mitsilany ianao izao ka nahavoa tena. Ny vavanao ihany no nanameloka anao ho faty raha nanao hoe: «Izaho no namono ho faty ny mpanjaka voafidin’ny TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida taminy: Aoka ho eo amin’ny lohanao ny ranao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao hoe: Izaho no namono ny voahosotry NY TOMPO.
malagasy
ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah.