2 Samuel 1:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianareo tendrombohitra Gilboa, aza misy ando aman’orana intsony eny aminareo, na saha mahavokatra! Satria tany no nanariana ny ampingan’ny mahery, dia ny ampingan’i Saoly ka tsy nohosorana diloilo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo tendrombohitra Jelbôe, aza misy ando aman’orana intsony eo aminareo na saha fisantaram-bokatra! Fa teo no nahararaka an-tany ny ampingan’ny mahery.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo tendrombohitr’i Gilbôa, aza misy ando na orana intsony eo aminareo na koa saha be vokatra hangalam-panatitra, satria teo no nahafa-baràka ny ampingan’ny mahery fo, dia ny ampingan’i Saoly tsy hihoso-diloilo intsony.
Malagasy Bible 1865
Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan'ny mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianareo tendrombohitra Gilboa, aza misy ando aman’orana intsony eny aminareo, na saha mahavokatra! Satria tany no nanariana ny ampingan’ny mahery, dia ny ampingan’i Saoly ka tsy nohosorana diloilo.
malagasy
Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan'ny mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.[Na: nanariana][Na: toy ny an'izay]