2 Samuel 1:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tsipìkan’i Jonatana dia tsy nihemotra raha tsy nahazo ny ran’ny maty sy ny tavin’ny mahery; ary ny sabatr’i Saoly dia tsy mba niverina foana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ampingan’i Saola tsy mba diloilo no nahosotra azy fa ny ran’ny maratra sy ny tavin’ny mahery; ny tsipìkan’i Jônatasy tsy lasa nihemotra na oviana na oviana ary ny sabatr’i Saola tsy nody maina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo anoloan’ny ran’ireo Filistinina nitsitra, ny tsipîkan’i Jônatàna tsy mba nihemotra; teo anoloan’ny hatomadin’ireo fahavalo mahery fo, ny sabatr’i Saoly tsy niveri-maina.
Malagasy Bible 1865
Ny tsipìkan'i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny tavin'ny mahery; ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tsipìkan’i Jonatana dia tsy nihemotra raha tsy nahazo ny ran’ny maty sy ny tavin’ny mahery; ary ny sabatr’i Saoly dia tsy mba niverina foana.
malagasy
Ny tsipìkan'i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny tavin'ny mahery; ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana.