2 Samuel 1:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Davida taminy: Inona no zava-nitranga tany? Miangavy anao aho, ambarao amiko. Dia hoy izy: Nandositra tamin’ny ady ny olona ary be koa ny miampatrampatra sy maty; maty koa i Saoly sy Jonatana zanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Davida taminy: «Ka nanao ahoana avy? Tantarao amiko kely hoe». Ary hoy izy: «Nandositra tamin’ny ady ny vahoaka, ka be no nitsingidina sy maty tamin’ny vahoaka, ary maty koa aza i Saola sy i Jônatasy zanany».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy indray i Davida taminy: –Fa nanao ahoana avy ny zava-niseho tany? Mba tantarao amiko. Dia hoy izy hoe: –Nitsoaka nandositra ny tafik’i Israely ary betsaka ny miaramila maty. Ary i Saoly sy i Jônatàna zanany koa samy maty.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin'ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Davida taminy: Inona no zava-nitranga tany? Miangavy anao aho, ambarao amiko. Dia hoy izy: Nandositra tamin’ny ady ny olona ary be koa ny miampatrampatra sy maty; maty koa i Saoly sy Jonatana zanany.
malagasy