2 Samuel 10:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’ny taranak’i Amona fa nandositra ny Arameana dia mba nandositra niala teo anoloan’i Abisay koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary niverina avy namely ny taranak’i Amona i Joaba ka tonga tany Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’ny taranak’i Amôna fa nandositra ny Sirianina, dia nandositra teo anoloan’i Abisaia koa izy ireo, ka niditra tao an-tanàna indray. Dia niverina i Jôaba nony avy namely ny taranak’i Amôna, ka niditra tany Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitan’ny Hamônita fa nandositra ny Sirianina, dia mba nandositra teo anoloan’i Abisay koa ry zareo ka nitsofoka tao an-tanàna. Ary nitsahatra nanafika ny Hamônita i Jôaba ka niverina ho any Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo anoloan'i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy namely ny taranak'i Amona ka tonga tany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’ny taranak’i Amona fa nandositra ny Arameana dia mba nandositra niala teo anoloan’i Abisay koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary niverina avy namely ny taranak’i Amona i Joaba ka tonga tany Jerosalema.
malagasy