2 Samuel 10:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nambara tamin’i Davida izany dia nampamory ny Israely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin’i Davida ny Arameana ka rafitra ny ady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novorin’i Davida i Israely rehetra, nony nandre izany izy, ka nita an’i Jordany izy, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin’i Davida ny Sirianina, ka dia izy no nanomboka ny ady taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nambara tamin’i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia nita an’i Jôrdàna ary tonga tany Helama. Nitandahatra teo anoloan’i Davida ny Sirianina ka nandrafitra ady taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nambara tamin'i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin'i Davida, ka dia rafitra ny ady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nambara tamin’i Davida izany dia nampamory ny Israely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin’i Davida ny Arameana ka rafitra ny ady.
malagasy
Ary nony nambara tamin'i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin'i Davida, ka dia rafitra ny ady.