2 Samuel 10:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vaky nandositra teo anoloan’ny Israely ny Arameana. Nahafaty fitonjato an-kalesy fitondra miady sy efatra alina an-tsoavaly tamin’ny Arameana i Davida sady namely an’i Sobaka koa, ilay komandin’ny miaramila, ka nahafaty azy teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina, ka matin’i Davida ny an-kalesy 700, sy an-tsoavaly 40.000 tamin’izy ireo; nasiany koa i Sobàka lehiben’ny tafik’izy ireo, ka maty teo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo Sirianina, ka nahafatesan-dry i Davida olona tao an-kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsoavaly 40 000. Naratrany koa i Sôbàka filohan-tafika, ka maty teo.
Malagasy Bible 1865
Ary vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin'ny Syriana Davida sady namely an'i Sobaka koa, ilay komandin'ny miaramila, ka nahafaty azy teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vaky nandositra teo anoloan’ny Israely ny Arameana. Nahafaty fitonjato an-kalesy fitondra miady sy efatra alina an-tsoavaly tamin’ny Arameana i Davida sady namely an’i Sobaka koa, ilay komandin’ny miaramila, ka nahafaty azy teo.
malagasy
Ary vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin'ny Syriana Davida sady namely an'i Sobaka koa, ilay komandin'ny miaramila, ka nahafaty azy teo.Ary nony hitan'ny mpanjaka rehetra izay nanoa an'i Hadadezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony.