2 Samuel 10:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’ny mpanjaka rehetra izay nanoa an’i Hadadezera fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nanao fihavanana tamin’ny Israely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Arameana ka tsy nety namonjy ny taranak’i Amona intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitan’ny mpanjaka rehetra fehezin’i Hadarezera fa resy teo anatrehan’i Israely izy, ka nanao fanekem-pihavanana tamin’i Israely izy, dia nanompo azy ary tsy sahy namonjy ny taranak’i Amôna intsony ny Sirianina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan’ny Israelita ireo mpanjaka rehetra mpanoa an’i Hadadehezera, dia nandrindra fihavanana tamin’i Israelita ka nanoa azy. Ary tsy sahy namonjy ny Hamônita intsony ny Sirianina.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'ny mpanjaka rehetra izay nanoa an'i Hadadezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’ny mpanjaka rehetra izay nanoa an’i Hadadezera fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nanao fihavanana tamin’ny Israely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Arameana ka tsy nety namonjy ny taranak’i Amona intsony.
malagasy