2 Samuel 10:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida: Hanisy soa an’i Hanona, zanak’i Nahasy, aho, toy ny soa nataon’ny rainy tamiko. Ary naniraka ny mpanompony i Davida mba hitsapa alahelo azy ny amin’ny rainy. Dia tonga tany amin’ny tanin’ny taranak’i Amona ny mpanompon’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida: «Hampiseho fankasitrahana amin’i Hanòna zanak’i Naasa aho, toy ny nampisehoan-drainy fankasitrahana tamiko.» Dia nampitondra fitsapana alahelo azy noho ny amin-drainy i Davida tamin’ny alalan’ny mpanompony. Nony tonga tany amin’ny tanin’i Amôna ny mpanompon’i Davida,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Davida anakampony: «Hanao soa amin’i Hanòna zanakalahin’i Nahasy aho, tahaka izay nataon-drainy tamiko.» Dia naniraka minisitra i Davida mba hitsapa alahelo an’i Hanòna noho ny nahafatesan-drainy. Rehefa tonga tany amin’ny tanin’ny Hamônita ireo minisitr’i Davida,
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'ny tanin'ny taranak'i Amona ny mpanompon'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida: Hanisy soa an’i Hanona, zanak’i Nahasy, aho, toy ny soa nataon’ny rainy tamiko. Ary naniraka ny mpanompony i Davida mba hitsapa alahelo azy ny amin’ny rainy. Dia tonga tany amin’ny tanin’ny taranak’i Amona ny mpanompon’i Davida.
malagasy