2 Samuel 10:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa ireo mpanapaka ny taranak’i Amona tamin’i Hanona tompony: Moa heverinao ho fanajana ny rainao va no anirahan’i Davida olona hitsapa alahelo anao? Moa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan’i Davida ireo mpanompony ireo hankaty aminao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hoy ny filohan’ny taranak’i Amôna tamin’i Hanòna tompony: «Moa heverinao ho fanajana an-drainao no nanirahan’i Davida mpanala alahelo atỳ aminao? Moa tsy ny hizaha sy hisafo ny tanàna va, mba handravany azy no nanirahan’i Davida ny mpanompony ho atỳ aminao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hoy kosa ireo andrianan’ny Hamônita tamin’i Hanòna tompony: –Ataonao ve fa ho fanomezan’i Davida voninahitra an-drainao ihany no anirahany olona hitsapa alahelo anao? Moa ve tsy hizaha ny tanàna sy hitsikilo azy mba hahazoany mandrava azy no anirahan’i Davida minisitra hankatỳ aminao?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan'i Davida ireo mpanompony ireo hankatỳ aminao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy anefa ireo mpanapaka ny taranak’i Amona tamin’i Hanona tompony: Moa heverinao ho fanajana ny rainao va no anirahan’i Davida olona hitsapa alahelo anao? Moa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan’i Davida ireo mpanompony ireo hankaty aminao?
malagasy