2 Samuel 10:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nosamborin’i Hanona ny mpanompon’i Davida ka noharatany ny ila somony sady notapahiny hatreo amin’ny foto-peny ny akanjony; dia nalefany hody izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nosamborin’i Hanòna ny mpanompon’i Davida, ka ny somony noharatany sasaka; ny akanjo nofolonany hatreo amin’ny foto-peny, vao nalefany izy ireo hody.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampisamborin’i Hanòna ireo minisitr’i Davida, ka noharatana ny ila-volombavany sady notapahina manasa-pe ny akanjony, ary noroahina nody.
Malagasy Bible 1865
Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nosamborin’i Hanona ny mpanompon’i Davida ka noharatany ny ila somony sady notapahiny hatreo amin’ny foto-peny ny akanjony; dia nalefany hody izy ireo.
malagasy
Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.