2 Samuel 10:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lasa nanambara izany tamin’i Davida ka nandefa iraka izy hitsena azy ireo satria afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ary hoy ny tenin’ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, amin’izay vao mody ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy nampandre izany an’i Davida, dia naniraka olona hitsena azy ireo izy fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo, ka izao no nasain’ny mpanjaka nambara taminy: «Mitoera any Jerikô aloha, mandra-panirin’ny somotrareo, vao mody ianareo»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy nampandre izany tamin’i Davida; dia naniraka olona izy mba hitsena azy, satria afa-baràka loatra ireo lehilahy ireo; ka hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: «Mijanòna any Jerikao aloha mandra-panirin’ny volombavanareo; izay ianareo vao mody.»
Malagasy Bible 1865
Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin'i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin'ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lasa nanambara izany tamin’i Davida ka nandefa iraka izy hitsena azy ireo satria afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ary hoy ny tenin’ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, amin’izay vao mody ianareo.
malagasy
Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin'i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin'ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]