2 Samuel 10:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’ny taranak’i Amona fa tonga mangidy hoditra eo anatrehan’i Davida izy dia nanakarama ny Arameana any Bety-Rehoba sy ny Arameana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary olona arivo lahy tamin’ny mpanjakan’i Maka, ary roa arivo sy iray alina tamin’ny olona tany Toba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fantatry ny taranak’i Amôna, fa hankahalan’i Davida azy ny nataony ka ny taranak’i Amôna dia naniraka olona haka miaramila hokaramaina avy amin’ny Sirianina any Beta-Rohoba sy amin’ny Sirianina any Sobà, dia miaramila an-tongotra 20.000, ary any amin’ny mpanjakan’i Maakà koa 2.000 lahy, ary any olona ao Tôba 12.000 lahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsapan’i Hamônita fa tonga halan’i Davida izy. Koa naniraka olona ireo mba hanarama Sirianina avy any Bety-Rehôba sy avy any Tsôbà, dia miaramila an-tongotra miisa antokony roapolo; nokaramainy koa ny lehilahy antokony iray avy amin’ny mpanjakan’i Mahekà ary ny lehilahy antokony 12 avy any Tôba.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan'i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin'ny mpanjakan'i Maka, olona arivo lahy, ary tamin'ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’ny taranak’i Amona fa tonga mangidy hoditra eo anatrehan’i Davida izy dia nanakarama ny Arameana any Bety-Rehoba sy ny Arameana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary olona arivo lahy tamin’ny mpanjakan’i Maka, ary roa arivo sy iray alina tamin’ny olona tany Toba.
malagasy