2 Samuel 11:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niherina ny taona ka tonga ny andro fandehanan’ny mpanjaka hiady dia naniraka an’i Joaba sy ny mpanompony ary ny Israely rehetra i Davida; nandringana ny taranak’i Amona ireo sady nanao fahirano an’i Raba. I Davida kosa dia nijanona tany Jerosalema ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny fitsingerenan’ny taona, nony mby amin’ny fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady, dia nalefan’i Davida i Jôaba mbamin’ny mpanompony sy i Israely rehetra, ka nofongaran’ireo ny taranak’i Amôna, ary nataony fahirano i Rabà; fa i Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny taona manaraka, rehefa tonga ny fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’i Jôaba sy ny manamboninahiny ary ny tafika israelita manontolo i Davida mba handringana ny Hamônita sy hanao fahirano an’i Rabà. I Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia naniraka an'i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak'i Amona ireo sady nanao fahirano an'i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niherina ny taona ka tonga ny andro fandehanan’ny mpanjaka hiady dia naniraka an’i Joaba sy ny mpanompony ary ny Israely rehetra i Davida; nandringana ny taranak’i Amona ireo sady nanao fahirano an’i Raba. I Davida kosa dia nijanona tany Jerosalema ihany.
malagasy
[Ny nanaovana fahirano an'i Raba, sy ny nakan'i Davida ny vadin'i Oria] Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia naniraka an'i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak'i Amona ireo sady nanao fahirano an'i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.