2 Samuel 11:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony i Oria. Dia hoy i Davida tamin’i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? Koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nolazaina tamin’i Davida izany, natao hoe: «Tsy nidina nody any an-tranony i Oria.» Ka hoy i Davida tamin’i Oria: «Moa tsy tonga avy amin’ny dia ianao? Nahoana no tsy nidina nody any an-tranonao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nambara tamin’i Davida fa tsy nody tany aminy akory i Orià, dia nilazany hoe: –Tsy avy lavitra ve ianao? Koa nahoana no tsy nody tany an-tranonao ianao?
Malagasy Bible 1865
Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin'i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony i Oria. Dia hoy i Davida tamin’i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? Koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?
malagasy
Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin'i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?