2 Samuel 11:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Oria tamin’i Davida: Ny vata misy ny Fanekena sy ny Israely ary ny Joda dia mitoetra amin’ny trano rantsan-kazo; ary i Joaba tompoko sy ny mpanompon’ny tompoko dia mitoby any an-tsaha, koa izaho kosa va dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hanao izany aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny navalin’i Oria tamin’i Davida: «Ny Fiara sy i Israely mbamin’i Jodà, mitoetra an-day; i Jôaba tompoko sy ny mpanompon’ny tompoko, mitoby any an-tsaha foana, ary izaho ve dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko? Marina amin’ny ainao sy ny ain’ny fanahinao raha hanao izany aho!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Orià tamin’i Davida: –Ny Vatamasina ary koa ny tafik’i Israely sy i Joda dia mitoetra an-day; i Jôaba filohan-tafika sy ireo manamboninahiny dia mitoby any an-tsaha, koa izaho kosa ve hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, dia mianiana aminao aho fa tsy hanao izany.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Oria tamin'i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin'ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Oria tamin’i Davida: Ny vata misy ny Fanekena sy ny Israely ary ny Joda* dia mitoetra amin’ny trano rantsan-kazo; ary i Joaba tompoko sy ny mpanompon’ny tompoko dia mitoby any an-tsaha, koa izaho kosa va dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hanao izany aho.
malagasy
Fa hoy Oria tamin'i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin'ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.