2 Samuel 11:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no soratra nataony tao amin’ny taratasy: Arosoy amin’ny ady mafy i Oria; dia ilaozy izy mba ho voa ka ho faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no nosoratany tamin’ny taratasy: «Apetraho amin’izay toerana iadiana mafy indrindra i Oria, dia mihataha avy eo aoriany ianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no voalazany tao amin’ilay taratasy: «Apetraho amin’ny voalohan-daharana i Orià, dia amin’izay toerana mahamafy indrindra ny ady, dia mihemora aoriany ianareo mba hamelezam-pahavalo azy ho faty.»
Malagasy Bible 1865
Ary izao no soratra nataony tao amin'ny taratasy: Arosoinareo amin'ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no soratra nataony tao amin’ny taratasy: Arosoy amin’ny ady mafy i Oria; dia ilaozy izy mba ho voa ka ho faty.
malagasy
Ary izao no soratra nataony tao amin'ny taratasy: Arosoinareo amin'ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.