2 Samuel 11:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Davida tamin’ny iraka: Izao no holazainao amin’i Joaba: Aza malahelo amin’izany ianao fa tsy mifidy hasiana ny sabatra; herezo ihany ny adinao amin’ny tanàna ka ravao izy. Ary ampaherezo i Joaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Davida tamin’ilay iraka: «Izao no lazao amin’i Jôaba: Aza malahelo loatra amin’izany ianao, fa mbetika ny iray mbetika kosa ny hafa no asian’ny sabatra. Ka ampitomboy ihany ny hamafin’ny famelezana ny tanàna, dia ravao izy. Ary ianao koa mba mankahereza azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Davida tamin’ilay iraka: –Lazao amin’i Jôaba hoe: «Aza malahelo amin’izany ianao, fa na ny an-kilany na ny an-daniny dia mety misy maty an’ady. Hamafiso hatrany ny fanafihanao ny tanàna ka ravao izy.» Izany no hampaherezanao an’i Jôaba.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Davida tamin'ny iraka: Izao no holazainao amin'i Joaba: Aza malahelo amin'izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin'ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Davida tamin’ny iraka: Izao no holazainao amin’i Joaba: Aza malahelo amin’izany ianao fa tsy mifidy hasiana ny sabatra; herezo ihany ny adinao amin’ny tanàna ka ravao izy. Ary ampaherezo i Joaba.
malagasy