2 Samuel 11:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afa-tsaona izy dia nampanalain’i Davida ho any an-tranony ka tonga vadiny ary niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitraky NY TOMPO izany nataon’i Davida izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nony afa-tsaona ravehivavy dia nampanalain’i Davida sy noraisiny ao an-tranony. Tonga vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Ary tsy sitrak’i Iaveh izany zavatra nataon’i Davida izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afa-tsaona izy, dia nampiantsoin’i Davida hankany aminy, ka nalainy ho vady ary niteraka zazalahy taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afa-tsaona izy dia nampanalain’i Davida ho any an-tranony ka tonga vadiny ary niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitraky NY TOMPO izany nataon’i Davida izany.
malagasy
Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida izany.