2 Samuel 11:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka hanontany ny amin-dRavehivavy i Davida. Ary nolazaina taminy hoe: Iny no Batseba, zanakavavin’i Eliama, sady vadin’i Oria hetita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasain’i Davida nanontaniana hoe: «Iza io vehivavy io?» ka izao no nolazain’ny olona azy: «Io no Betsabea, zanaka vavin’i Eliama, vadin’i Oria, Heteanina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia naniraka olona i Davida hanadihady ny momba io vehivavy io, ka izao no voalaza: «I Bàty-Sèba, zanakavavin’i Eliama ary vadin’i Orià ilay Hetita io!»
Malagasy Bible 1865
Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka hanontany ny amin-dRavehivavy i Davida. Ary nolazaina taminy hoe: Iny no Batseba, zanakavavin’i Eliama, sady vadin’i Oria hetita.
malagasy
Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita?