2 Samuel 11:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Naniraka olona haka azy i Davida. Dia tonga tao aminy izy ka nandriany kanefa vao avy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ny fahalotoany. Nody tany an-tranony Ravehivavy nony avy eo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naniraka olona haka azy i Davida ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy. Nandio tena ho afaka amin’ny halotoany ravehivavy, dia nody tany an-tranony,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampanalain’i Davida izy, ka tonga tao aminy, dia niraisany, ary nody tany an-tranony indray. Vao avy nanadio ny tenany noho ny fadimbolana ravehivavy tamin’izay.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Naniraka olona haka azy i Davida. Dia tonga tao aminy izy ka nandriany kanefa vao avy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ny fahalotoany. Nody tany an-tranony Ravehivavy nony avy eo.
malagasy
Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany an-tranony.