2 Samuel 11:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’i Oria: Andeha ary mody ka sasao ny tongotrao. Dia niala tao an-tranon’ny mpanjaka i Oria ary nampanarahina fanomezana avy tao amin’ny mpanjaka izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe: «Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasa ny tongotrao.» Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria, nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Davida tamin’i Orià: –Mandehana mody ary makà aina kely. Nandao ny lapan’ny mpanjaka i Orià narahina fanomezana avy taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida tamin’i Oria: Andeha ary mody ka sasao ny tongotrao. Dia niala tao an-tranon’ny mpanjaka i Oria ary nampanarahina fanomezana avy tao amin’ny mpanjaka izy.
malagasy
Ary hoy Davida tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka izy.